Région ALAOTRA MANGORO

FARITRA ALAOTRA MANGORO

FANAMBARANA IOMBONANA

Izahay mpiaramisehatra nivory teto amin’ny efitrano malalaky ny Paradis du Lac Ambatondrazaka, ny 06 Aogositra 2010, nandritra ny atrik’asa fifampizarana sy fanairana manodidina ny fitantanana ny ala dia miara manambara fa:

1. Vonona ny hiara hiasa sy handray andraikitra mikasika ny fiarovana sy fitantanana mahomby ary fitrandrahana manara-penitra ny ala;
2. Vonona ny hifampidinika amin’ny fanatanterahana ny fihaonan’ireo sampan-draharaha miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana voakasik’izany (colloque);
3. Vonona ny hanamafy sy hanatsara ny serasera eo amin’ireo sampan-draharaha rehetra sy ny fiaraha-monim-pirenena ary ny sehatra tsy miankina;
4. Resy lahatra amin’ny fananganana « Central d’achat » ho an’ny hazo eto Alaotra mba hialana amin’ny fitrandrahana sy fivarotana ary fividianana tsy ara-dalàna (drodraka);
5. Resy lahatra amin’ny maha zava-dehibe ny fivondronan’ny mpandrafitra sy ny mpampiasa hazo;
6. Mangataka ny fampahafantarana sy fampiharana ny lalàna ary ny fanarahamaso akaiky izany;
7. Hamoaka ara-potoana ireo vaovao marina amin’ny alalan’ny haino aman-jery sy ny gazety an-tsoratra momba ireo toe-java-misy momba ny fitantanana ny hazo sy ny ala;
8. Ny fisian’ny Vondron’Olona Ifotony dia manampy betsaka sy manamora ary manamafy ny fahamarinan’ny fanangonam-baovao any ifotony;

Koa dia hiarahanay mpisehatra manao sonia eto ambany izao fanambarana iombonana izao:

Natao teto Ambatondrazaka, ny 06 Aogositra 2010

Ny mpisehatra:

Laisser un commentaire