FANAMBARANA IOMBONANA
FARITRA ATSINANANA
Izahay nivory teto amin’ny Hotel Frederic Toamasina anio faha 03 desambra 2010 taorian’ny atrik’asa mikasika ny fitantanana mahomby sy manara-penitra ny ala ary mandala ny fahamarinana dia manao izao fanambarana izao :
1- Hampahafantatra ny lalàna mifehy ny fitrandrahana ny vokatry ny ala amin’ny fomba rehetra mba hahamora ny fampiharana azy ;
2- Mitaky sazy henjana amin’izay olona tratra sy miray tsikombakomba mandika ny lalàna mifehy ny fitrandrahana ny ala, tsy hanavahana sarangan’olona na iza na iza ;
3- Hampiasa ireo fomba fampahalalam-baovao (radio, télé, gazety, peta-drindrina, famoriana olona, … sns) ho fanentanana ny rehetra ;
4- Miara-manaiky fa hanatanteraka araky ny lalàna ny anjara andraikitra manandrify anay tsirairay avy momba ny fitantanana ny ala, ary hifarimbona bebe kokoa amin’ny DREF Atsinanana ;
5- Hanome hasina sy lanja ny VOI any amin’ny toerana misy azy avy ;
6- Vonona ny hilaza sy hitoroka ny fandikan-dalàna misy mikasika ny fitrandrahana ny ala eo anatrehan’ireo tompon’andraikitra mahefa isan-tsokajiny ;
7- Handray andraikitra hampiasa ny hery, ny fahaizana ary ny fahefana amin’ny fiarovana sy ny fanatevenana ny ala ;
8- Hikaroka hevitra sy fomba mba hahafahan’ny tantsaha mivelona eo amin’ny faritra misy azy sady miaro ny ala ;
9- Hangataka amin’ny ministeran’ny fambolena fampihofanana hoan’ ireo tantsaha amin’ny teknikam- pambolena sy fiompiana manara-penitra (moderne) sy mba hamerenana ny Agents Vulgarisateurs de Base (AVB)
Natao teto Toamasina androany, 03 desambra 2010