FITANTANANA NY ALA MANDALA FAHAMARINANA SY MIROBOROBO
FARITRA BOENY
FANAMBARANA IOMBONANA
Noho ny fahatsapanay fa misy tsy lavorary ny fitantanana ny ala eto @ faritra Boeny dia miara-manaiky izahay izay manao sonia eto ambany fa:
- Hanamasaka ny serasera eo amin’ny samy mpisehatra sy ny fampitàna vaovao amin’ny daholobe;
- Handalina sy hampahafantatra ny lalàna misy mifehy ny ala;
- Mitaky ny fampiharana ny lalàna velona;
- Hiaro sy hitandrina ny ala araka ny herinay manontolo ka hijery sy hanolotra izay tratra mandika ny didy izay efa navoaka ary tsy hanavahana na iza na iza;
- Vonona ny vondron’olona ifotony (VOI) ny hanangana fikambanambe iray mba hampitambatra ny hery isaky ny distrika;
- Hanentana sy hanabe ny manodidina anay amin’ny fiarovana sy fitantanana mahomby ny ala;
- Vonona ny hiara-hiasa sy handray ny andraikitra mifanandrify azy avy, hiaro sy hitantana ny ala amin’ny alalan’ny fanantontosana fihaonana araka izay fotoana mahamety sy ilàna izany;
- Hiara hiady amin’ny endrika kolikoly sy ny fanamparam-pahefana rehetra;
- Vonona ny hanatanteraka ny hetsika rehetra manaja ny lalàna ho fikatsahana ny tombontsoa iombonana amin’ny alalan’ny fiarovana sy fitantanana mahomby ny ala.
Natao teo ampamaranana ny Atrik’Asa fifampizarana ny zava-bita sy fanairana manodidina ny fitantanana ny ala teto amin’ny Centre Pastoral Diocésien Mahajanga.
Anio, 20 Aogositra 2010