Région MATSIATRA AMBONY

FANAMBARANA IOMBONANA

Nohon’ny fandripahana ny ala sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary ary ny tsindry hazo lena mhatra amin’ny mpisehatra samihafa, misy eto amin’ny faritra Matsiatra Ambony, izahay mpisehatra rehetra niara-nidinika teto amin’ny Tombotsoa ny 05 novambra 2010, dia manao izao fanambarana manaraka izao :

  • Mangataka amin’ireo tompon’andraikitra mahefa rehetra hampihatra tsy misy fanavakavahana ny lalàna mikasika ny fitantanana ny ala sy ny harena voajanahary ary mba tsy hisy tsindry na avy aiza na avy amin’iza( intervention)
  • Tsipahana marin-drano ny fisian’ireo mpitrandraka ala tsy mahafeno ireo fepetra rehetra ilaina ahafahana mivezivezy.
  • Hamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny haino aman-jery mba hisian’ny fandaharana manokana mikasika ny fanentanana sy ny fanairana momba ny fitantanana ny ala sy ny harena voajanahary
  • Araka ny fifanarahana tamin’ny atrik’asa izay natao dia vonona izahay mpisehatra samy handray ny andraikitra ka hamporisika ny fandraisana andraikitra hatrany ifotony.
  • Takiana ny fanajana ny rafitra antanan-tohatra rehetra, vao mahazo alalana hitrandraka( VOI-Fokontany- Kaominina –DREF, sns).
  • Hanaitra ny tompon’andraikitra mba hamoaka lalàna mifanaraka amin’ny vanim-potoana
  • Maneho fahavononana hanentanaa ireo mpisehatra mba tsy handefitra manoloana ny kolikoly.
  • Entanina ny fitondram-panjakana eo an-toerana hanamarina ny fiara rehetra mitondra ireo hazo voatrandraka alohan’ny hialan’ireo eo an-toerana.  Tsy atao andro alina ny fitondrana hazo fa tsy maintsy atao andro atoandro.

Hotel Tombotsoa 05 Novembre 2010

Hôtel Tombotsoa 05 Novembre 2010

Laisser un commentaire