Région MENABE

FITANTANANA NY ALA MANDALA FAHAMARINANA SY MIROBOROBO

FARITRA MENABE

FANAMBARANA IOMBONANA

Noho ny fahatsapana ny olana misy mikasika ny fitantanana ny ala eto amin’ny faritra Menabe (tovana voalohany) dia miara manaiky izahay manao sonia eto ambany, nivory teto amin’ny Salle d’Œuvre Catholique, Morondava, nandritry  ny Atrikasa Fifampizarana sy Fanairana fa hiroso amin’ny fanantanterahana ireto fehin-kevitra  manaraka ireto:

  1. Fanaovana ady sisika (« accord cadre » miaraka amin’ny DREF)
  1. Fanaovana « mise à jour » ny dinan’ny tontolo iainana sy fanantanterahana ady sisika ho fankatoavana  izany eo anivon’ny faritra
  1. Fanaovana ady sisika amin’ny « procédure judiciaire » (OPJ)
  1. Fametrahana vata fanehoan-kevitra (Boite de doléances), amin’ireto tanàna ireto: Marofandilia, Beroboka Atsimo, Tsimafana, Belo sur Tsiribihina, Belo sur Mer, Befasy, Antevamena, Soaserana, Andranopasy, Mahabo
  1. Famokarana sy fandefasana fandaharana amin’ny haino aman-jery hiarahan’ny mpisehatra manatanteraka (STD, CTD, OSC, Sehatra tsy miankina). Ezahina ny hahasahana ny distrika dimy eto amin’ny faritra Menabe
  1. Hampitomboina ny vokatry ny ala ara-dalàna amin’ny alalan’ny fankatoavana ny VOI nahazo alalana hanao fitrandrahana sy ny Adjudication
  1. Vonona ny hiara hiasa amin’ny sehatra rehetra ho fanesorana ny campement tsy ara-dalàna
  1. Hiara hientana hampahafantatra ny lalàna mifehy ny fitantanana ny ala ary mitaky ny fampiharana izany
  1. Fampivelarana ny tambazotran’ny mpanaramaso sy fampiofanana ny mpikambana (ZAP, sefo fokontany, OSC, KASTI, sns)
  1. Manao antso avo mba hampidirana ny fitantanana ny ala amin’ny kabarin’ireo manampahefana
  1. Hanamafy ny serasera ka hanatontosa ny fifampizarambaovao iraisan’ny samy STD isam-bolana ary isan-telo volana ho an’ny mpisehatra rehetra (OSC, STD, CTD, Sehatra tsy miankina)
  1. Vonona ny hametraka « cadre de collaboration » eo amin’ny mpisehatra rehetra
  1. Fanetsehana ny « commission forestière régionale » ary fitrandrahana ny traikefa tsara tamin’ny CEFB

Natao anio, 10 Septembra 2010

Laisser un commentaire