Région SAVA
FIFANARAHANA IOMBONANA
FARITRA SAVA
Noho ny fandripahana ala misy eto amin’ny Faritra SAVA dia miara manaiky izahay rehetra nivory teto Sambava nandritra ny atrik’asa fifampizarana sy fanairana fa :
- mitaky fampitsaharana tanteraka tsy misy hatak’andro ny fivezivezen’ny bolabola (bois de rose, bois d’ébène) ato amin’ny Faritra SAVA.
- Vonona hanatontosa fandaharana manokana mikasika ny fiarovana ny ala izay iarahana amin’ny haino aman-jery eto amin’ny Faritra SAVA ka andraisan’ny mpisehatra rehetra anjara (STD, CTD, OSC, Secteurs privés, VOI…)
- Mitaky fandraisana andraikitra hentitra avy amin’ny fitondram-panjakana isan’ambaratonga mba hanafoana tanteraka hatramin’ny fakany ny endrika kolikoly rehetra na mivantana na ankolaka.
- Mitaky ny famerenana ny tamberim-bidy azo rehetra tamin’ny fanondranana bolabola ary ny fitsinjarana mangarahara (région, commune, fokontany) an’izany mba ho fampandrosoana ny faritra sy ho fiarovana ny ala.
- Vonona ny hanantanteraka fanentanana sy fanairana mikasika ny fiarovana sy fitantanana ny ala, iraisan’ny mpisehatra rehetra
Ka izany dia iarahanay manao sonia eto ambany.